You are here: home > Tononkira > Mahaleo

Berevo (Mahaleo)

https://tononkira.serasera.org/hira/mahaleo/berevo

Nahoana e! nareo e!(2)
No mijerijery ny vohitray
Ao atsimotsimon’i Vohitsara
Sendra nitazana am-baravarana
Nahita vahiny namoha vavahady aho a!
Vahinin’iza e(2) vahininay a!

Lavi-dalana ianao a!(2)
Rehefa mijery ny vohitray a!
Ao atsimotsimon’i vohitsara
Fafafafao ao avara-paTsiky dia ampytana
Mahazo mandroso izato vahiny aho a!
vahinin’iza e! (2) vahininay a!

Mianavaratra ianao a! (2)
Vangivangio ny akamanay
Fa izy hono miasa
Ka tsy afa-mamangy e! e!

Mianatsimo any ianao(2)
Mivilia ao Manakara
Veloma masimasinin’i zaklina a!
Olon’iza e! (2) tsy mahatsiaro

RABEKOTO HONORE AUGUSTIN

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Mahaleo
Mpamaky : 4027
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Solofo
Tamin'ny : 20/01/2003 16:28:14
ID : 1400

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Alaharo ao amin'ny RadioVazoGasy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo