Adin-tsaina (Mahaleo)

Raha vao maraina
Dia lasa ny fisainana
Mifantoka ato an-tsaina
Ny tena adim-piainana.

Tapin-dalan-kaleha
Ity izaho efa trotraka
Ianao ihany anie
No tena nisompatra.

Izany ve moa
No mba hany vitanao
Ny zanantsika roa
Nilaozanao amin’izao

Any izao ianao
Lasan’iny olon’iny
Moa va adinonao
Ireto zanatsika dimy.
--------
Rohy: https://tononkira.serasera.org/hira/mahaleo/adin-tsaina-1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mahaleo
Vangy : 25707
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 28/01/2002 03:44
© serasera.org 1999 - 2022 - page load 0.0657