Ilay sary (Mage 4)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ilay sary

Noraisiny, napetrany indray avy eo
Ilay sarinao fatsiarovana
Tsy fantany intsony
Izay tiany atao
Angamba izy efa leo
Ilay toetranao


Tsy antononanao ilay fitia
Nokoloiny ho anao mba hadio
Ny famindranao tsy arany
Manakatra ny avo ianao iny

Ilay sarianao, nambabo ny fony taloha
Nanjary alahelo , nandratra ny fo
Niova ho tomany ireo tsiky hatrizay
Fa tsy haritrao ihany ireo antson’ny hafa


Ilay sombin-pitita no hany mba foinao
Nodorany ilay sarinao



Mage 4
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mage 4
Vangy : 4016
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Hasimbola
Daty : 29/12/2001 18:39
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2685