Solemita (Mage 4)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Misaotra an'Andriamanitra aho fa notolorany ho ahy
Ilay tian'ny fanahiko
Izy Tompon'ny fitiavana no mbola angatahana
Fanahy Masina handrakotra ty fiainanay

Fa na ny ony maro azatsy hahafaty ny afom-pitia
Satria ilay Ray izay mitahy azy ihany no mitsodrano anay


Ataoko eto anatrehany ny voady tsis fetrany
Ho tia anao mandrakizay
Ny heriny no iankinako fa olombeolona ihany aho
Tsy hahatohitra ny fakampanahy

Izao isika iray (ho iray ny fiainanay)
Satria izao no lahatr'Andriamanitra
Voafatotra ho iray (ho iray fitiavana)
Ny sitrapon'ny Ray no nahatonga izao
Ka dera saotra laza no mendrika atao
--------
Rohy: https://tononkira.serasera.org/hira/mage-4/solemita-1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mage 4
Vangy : 19960
Mpankafy : 4 Ankafizo
Nampiditra : rasoa15
Daty : 29/03/2016 10:35
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2022 - page load 0.0664