Taratasy farany (Mage 4)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nangina hatramin'izay,irery lay fitia
Hadinonao sahady ny taloha
Niandry ihany aho sao handray avy aminao
Taratasy iray hampionona

Lavitra mampisy ny olana hoantsika
Asa raha mahatsiaro ahy ianao
Niaritra ny hatsiaka sy ny orana mikija
Ny embona no tsy mahasaraka ahy
Fa ny eritreritro mandaha,ny ao am-poko toa tsy sahy
Tsy tia hisaina ny hoe voafitaka aho...

Matoa aho nankaty tsy handositra fitia
Fa hanomana ho anao ny fiaianana
Matoa ianao minia tsy hamaly intsony koa
Dia taratasy farany ity

Miandry ny ela hoy aho toa hoaritro eny ihany
Manina ny tsy tia no mampijaly
Ny ankany izay nomaniko raha toa tsy andrinao
Dia mahità ny mendrika ary ianao
Fa hanova indray ny ampitsoko aho
Hiaina lavitra anao
Hanandrana aho raha zay no sitrakao...

Hanova indray ny ampitsoko aho
Hiaina lavitra anao
Hanandrana aho raha zay no sitrakao...

Mage4 (2004)
Album: Lavitra
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Mage 4
Hits : 26201
Likes : 2 Like
Created by : Sissy
Date : 18/10/2004 01:28
Audio
Excerpt Add to playlist
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0118