Fikasana (Ludger Andrianjaka)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Izao no voady izay nataoko tsy maintsy tanako
Ho anao izay nametrahako ny foko mba ho namako
Ho tia anao n’aiza n’ aiza
Tsy misy fetra hoe hatraiza
Hiombon-tsento sy fifaliana manomboka eto
Hohadinoiko ny lalao sy fiainako efa lasa
Hery vaovao no entiko mikasa
Hanorina ny ankanintsika mba ho paradisa
Na ho haingana na mbola ho ela ny andro sisa.

Mivoha sahady ny vavahady hidirantsika izao
Hifampitantana hiara-dia izaho sy ianao
Tsy nofy intsony ilay fiadanana
Fa ho zaraina samy hanana
Ny tiana tafaray amin’ny tia
Tsy hitako izay teny hilazana ny hafaliako
Tiako ianao eny tena tiako
Haorintsika anio ny ankany mba ho paradisa
Na ho haingana na mbola ho ela ny andro sisa.
--------
Rohy:
Hevitra
Kotsur ( 28/03/2019 01:09)
Manao ahoana tompoko,
Raha tsy diso aho dia diso io titra io fa 'Tokatranom-paradisa' no marina. I Ludger no mpihira ary i Naly Rakotofiringa no mpanoratra. Nisy olona teto 'yakuza' no anarany nitady azy.

Misaotra tompoko
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ludger Andrianjaka
Vangy : 8309
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 26/11/2002 13:41
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.012