hijanona aho (Lalatiana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
manoratra ianao fa ho tonga haka ahy
izaho mantsy aty toa ohatrany tsy sahy
mbola kely loatra
kely mampanahy
sao dia very irery any aho
tsy mahita izay aleha
dia miverina aoka izany
ka aleoko tsy mandeha

milaza ianao f’any be atao
asa ve izany sa kosa lalao
izaho mantsy aty dia efa very dia
ka variana dia variana
tsy te hiala tsy andaho
ary angamba any aorina
izao no hanafatra anao

ref: hijanona aho
izao tsy andeha ho any
hijanona aho
na dia tsara aza any
hijanona aho
na ratsy aza ny eto
lazainao f’any be sento
izaho tsy ho any

milaza ianao f’any be atao
asa ve izany sa kosa lalao
izaho mantsy aty dia efa very dia
ka varina dia varina
tsy te hiala tsy andaho
ary angamba any aorina
izao no hanafatra anao

REF
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Lalatiana
Vangy : 6201
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : tsiory
Daty : 10/02/2002 20:40
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1094