Isaorako Anao (KTLM MIKAIA FAMONJENA)

Mafy ny nentinao,eny mafy tokoa
Ry Jesosy Tompoko
Fanavotana ho ahy ary nodiovinao
Tamin'ny rà nalatsakao
Novonoina Ianao noho ny heloko
Ry Mpamonjy Tokiko
Ny hazo fijaliana nolanjainao
Raisiko ho ahy hatrizao
  
   REF:Fa ny eso sy latsa natao taminao
          Dia tsaroako tokoa izao
          Na ny satroka tsilo ,ny vono tsy miato
          Vokatry ny fahotako
   tononkira.serasera.org       Ankehitriny ry Tompo izay vita hatrizay
          Dia hifonako eto indray
          ka isaorako Anao ny fitiavana izay natolotrao

Velona Ianao ka nitsangana
Ry mpanjaka tokana
Na ny fasana tsy nahatazona Anao
Fa mpandresy tokoa Ianao
Ka ny  androko sisa izay mbola omenao
Dia hatokako ho Anao
Koa raiso re ny foko hanjakao
Ho Anao dia ho Anao

      Tonony sy feony:RATIANASOLO Henri Aimé

Mpihira : KTLM MIKAIA FAMONJENA
Mpamaky : 932
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : mikafityh
Tamin'ny : 02/07/2019 18:43:16
ID : 11865

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo