Be 'zay efa vitako izay (KTLM MIKAIA FAMONJENA)

1- Be 'zay efa vitako izay,
Nania Taminao aho,
Kanefa ankehitrio Jesosy ô, manatona Anao
Hamindrao fo ka sasao noho ny rànao soa
Mivalo re, mifona tokoa, raiso aho Tompo ô
×2

Refrain :
Mino aho fa Ianao Jesosy tsy manosoboho tànana ahy
Na dia nandà sy nitsoaka aza aho,
Nilaza fa tsy namanao
Ilay fitiavanao maharitra ho anay ety
No mampiorina ahy, ho tonga vatolampy

2- Tolory hery aho ry Ray
Hahaizako mitondra,
Ny sedra izay omenao ahy, tsy ho heveriko ho fonja
Ny hazo fijalianao hozakaiko hatrany
Ampio aho, tohano mba hahery aho Tompo ô
×2

REFRAIN
--------
Rohy: https://tononkira.serasera.org/hira/ktlm-mikaia-famonjena/be-zay-efa-vitako-izay
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : KTLM MIKAIA FAMONJENA
Vangy : 118
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : nyainafandresena18
Daty : 25/06/2022 10:08
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2022 - page load 0.0809