Hody aho (KT MPIHIRA MANOLOMPIANGONANA FLM Antsirabe Antampontanàna)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
                              Tonony sy Feony: Zhou Andriantoavina RAZAKARIVONY ndmhcpad (Zhoutoavina)

Nandao Anao aho Ray ô! tononkira.serasera.org Nanara-tsitrapo ny filàn-drehetra,
Nitady fiadanana hafa aho ankoatry ny ao Aminao Ray abha ô!
Nanao 'zay adalana maro aho, nanao ireo 'zay tsy Sitrakao,
Nandoto ny Anaranao, namiravira ny Hasinao.
              Indrisy anefa fa tsy naharitra izany
              Fiadanana mandalo ihany, tsy nisy akory izay nahasoa
              Hetraketraka avokoa 'reo 'zay noheveriko fa nambabo ny fo.
Reraka aho tsy hitako izay aleha,
Vizana aho miodinkodina mitady 'lay fiadanana teo
Hay nandalo fotsiny nanao izay nisarako taminao.
              Menatra aho Ray ankehitriny raha hilaza hoe "Te hody aho"
              Menatra aho Ray satria efa nandao (Lay Fiadananao)
              Menatra aho Ray ankehitriny raha hilaza hoe "Te hody aho"
              Menatra aho Ray satria efa xnyytf nandao.
Raiso aho Ray, (Ray), Raiso aho Ray fa te hody aho
Hody aho, hody ao Aminao, Tompo ô!
Raiso aho Ray, (Ray), Raiso aho Ray fa te hody aho
Hody aho, hody ao Aminao.

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : KT MPIHIRA MANOLOMPIANGONANA FLM Antsirabe Antampontanàna
Vangy : 501
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Zhoutoavina
Daty : 19/10/2025 21:40
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.012