Sambatra (Koraita (Fjkm Androva Vaovao Famonjena - Mahajanga))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
And 1:
Sambatra ny olona
Izay matahotra an'i Jehovah
Sady mankasitraka
Ny didiny indrindra
Hahery ambonin'ny tany ny zanany
Hotahiana ny taranaky
Ny marina, ny marina

Fiv 1:
Manaova ny marina
Ary matahotra an'i Jehovah
Mankasitraha ny didiny
Dia ho sambatra ianareo

And 2:
Sambatra ny olona
Izay miantra, mampisambotra
Tsy mba ho resy, tsy resy
Eo am-pitsarana izy
Fa tsy hangozohozo mandrakizay izy
Hotsarovana mandrakizay
Ny marina, ny marina

Fiv 2:
Mikatsaha ny sa tsara
Ary miantrà ny tsy manana
Mampisambora koa Azy
Dia ho sambatra ianareo

Fiv 3:
Mifandefera ary e
Ary mifamindra fo koa
Mifankatiava ihany koa
Dia ho sambatra ianareo
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Koraita (Fjkm Androva Vaovao Famonjena - Mahajanga)
Vangy : 51
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Harijesy
Daty : 28/11/2024 09:35
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.251