You are here: home > Tononkira > KIADIN'I KRISTY

Jesoa no Mpamonjy (KIADIN'I KRISTY)

Nitondra vonjy ho ahy Jesoa raha tao amin'ny sarotra aho
Nitondra hazavana ho ahy Jesoa raha tao amin'ny aizina aho
Nanome toky ahy Jesoa fa amin'ny fiainako
N'inon'inona hihatra Izy dia tsy handao (2)

Jesoa (4) hitondra vonjy koa ho anao
Jesoa (4) hazavana koa ho anao
Jesoa tokana ihany no hanampy anao
Nytononkira.serasera.org fitiavany valio fa tsy hanenenanao (2)

Raha semban-drahona aza izao ny masoandrom-piainako
Izaho dia hatoky ary koa tsy hanahy, haiko f'efa ao Jesoa
Inoako fa Izy no hiady ho ahy
Izay dia hampahery ahy
Satria ny ràny aza efa nalatsany ho fanavotany ahy
Satria ny ràny aza efa nalatsany ho fanadiovana ahy

Fiverenana :
Jesoa....

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : KIADIN'I KRISTY
Mpamaky : 768
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : hjl.haja
Tamin'ny : 21/01/2016 15:25:34
ID : 8043

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo