AFAKA AHO (KIADIN'I KRISTY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tao anaty fiainana feno fotaka mandrevo
No nisy feo niantso ahy, mba hiala tsy ho andevo
Dia ny feon'Ilay Jesoa niantso ahy mora tsy nanery
Nanainga ahy zanaka adala, efa tonga ondry very.

Raha ny fiainako fahiny no ambarako eto izao
Tsy nahitako fiadanana, fahoriana no hita tao
Sarim-pifaliana no nogahako
Vokatry ny ota rehetra izay efa vitako

Nefa Jesoa no efa voahombo
Tambonin'ny hazofijaliana
Nanafaka ny halemeko
Sy ny ota vitako tety
Nefa Jesoa no efa voahombo
Tambonin'ny hazofijaliana
Nanafaka ny halemeko
Sy ny ota vitako tety

Ditra marobe tokoa no efa vitako hatrizay
Soa fa teo Ianao Jesoa avy ka nanainga ahy
Mba hiantsampy ka hialoka eo an-tratranao
Zay nanome ahy hery vao hampiova ny fanao.

Nefa Jesoa no efa voahombo
Tambonin'ny hazofijaliana
Nanafaka ny halemeko
Sy ny ota vitako tety
Nefa Jesoa no efa voahombo
Tambonin'ny hazofijaliana
Nanafaka ny halemeko
Sy ny ota vitako tety

Ka olon'afaka aho tena afaka tokoa
Satria nohafahan'i Jesoa.
Ka olon'afaka aho tena afaka tokoa
Satria nohafahan'i Jesoa.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : KIADIN'I KRISTY
Vangy : 2405
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Hajaznkdd
Daty : 20/01/2013 02:18
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1802