You are here: home > Tononkira > Kelly Rajerison

Raha misy ny atao (Kelly Rajerison)

Raha misy ny atao mora aminao ve ny mampanantena
Raha misy ny omena hay hojerena ireo mampahonena
Mafimafy ihany anie izato onjan’ny fiainana eto an-tany
Ny herinao ihany no hany azonao ianteherana.

Raha misy ny marina tsara ho fantarina amin’ity fiainana
Sarotra ihany ny ho tonga amin’izany ka lasa  ny fisainana
MafTsiky dia ampyimafy ihany anie izato onjan’ny fiainana eto an-tany
Ny herinao ihany no hany azonao ianteherana.

Mitsangàna aza kivy ianao, zory izato làlanao
Ny masoandro mbola eo koa hanazava ny maraina vaovao
Mitsangàna  aza kivy ianao ny soa anie ho lasa ihany
Ny fiainanao mitohy hatrany
Mitohy hatrany hatrany
Ny herinao ihany no hany azonao ianteherana.

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Kelly Rajerison
Mpamaky : 1227
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : ikalamako
Tamin'ny : 09/04/2014 22:49:08
ID : 6525

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Alaharo ao amin'ny RadioVazoGasy

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo