TSIKY IRAY (JW broadcasting)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tononkalo sa tantara no hanova izay hinoany,
sa ve sary tena tsara, hiraika ve ny fony?
Tena ilaina mih’tsy ny miahy sy mba miezaka manampy.
‘Ndraindray nefa tsiky ihany,izay dia efa ampy.

Ref: “Tsiky iray”;no hanokatra ny fony
“Tsiky iray” ,Izay kivy mba hitony.
Miomàna sy mivavaha aloha,
dia aza adino ilay tsiky avy am-po.

Tsy mangoraka tsy miantra ny tontolo misy antsika;
ao ireo mahery setra, mampahory sy masiaka.
Eny an-dalana eny misy mitanondrika mazàna.
Koa ampaherezo àry izy eee…
Omeo fanantenana.

Ref: “Tsiky iray” no hanokatra ny fony
“Tsiky iray” ,Izay kivy mba hitony.
Miomàna sy mivavaha aloha,
dia aza adino ilay tsiky avy am-po.

Raha tsisy mba miraika,mba kivy ihany ianao
satria toa tsy mandaitra ireo ezaka natao.
Misy aza toy ny fo vato ka manohitra avy hatrany.
Fa mety ho tsiky kely ihany dia ampy hanova izany.

Ref: “Tsiky iray”;no hanokatra ny fony
“Tsiky iray” ,Izay kivy mba hitony.
Miomàna sy mivavaha aloha,
dia aza adino ilay tsiky avy am-po.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : JW broadcasting
Vangy : 983
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Mamatra
Daty : 14/03/2020 19:31
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0751