You are here: home > Tononkira > JW broadcasting

Havako Ianareo! (Your Family) (JW broadcasting)

Havako Ianareo!
1.Tonga soa! Faly er? ny fo,
Na dia lavitra aza ny at?.
Raha vao niainga koa
Dia Jehovah moa
No nitantana ny dia.
Fa fitiavana tsy hay fefena,
’Zay no hita n’aiza jerena.
Ny anadahy sy rahavavy, tena hoe mpianakavy,
Ka faly aho mihira hoe:
(FIVERENANA)
Vahoakan’i Jehovah:
Iray ihany, samy tena tiako.
Na dia samy hafa fiaviana,
Tsy misy hafa
Fa fianakaviako.
2. Tsikitsiky, endrika sariaka,
No nandraisanareo anay.
Dia feno hafaliana raha nandre mozika.
Hay toy izao ny hoe tafaray!
’Sika fianakavian’i Jehovah,
Miray saina sy miray fo.
Koa na avy aiza àry ianao, dia avia ka andao
’Sika hiara-hihira hoe:
(FIVERENANA)
Vahoakan’i Jehovah:
Iray ihany, samy tena tiako.
Na dia samy hafa fiaviana,
Tsy misy hafa
Fa fianakaviako.
3. Tonga hizaTsiky dia ampyra ilay vaovao tsara
Dia mba hiantra sy haneho fitia.
Ny olona itoriana, tsotra sady liana.
Tena faly aho, mankafy!
Dia ’reo namana mikarakara
No vao mainka mahatamana.
Ka na samy hafa foko, na hoe samy hafa loko,
Dia havako ianareo!
(TETEZANA)
Tsarovy izao:
Maneran-tany tsy misy mifandao,
Na any Mali na koa Italia
No halehanao.
(FIVERENANA)
Vahoakan’i Jehovah:
Iray ihany, samy tena tiako.
Na dia samy hafa fiaviana,
Tsy misy hafa
Fa fianakaviako.
Na tsy mitovy fiteny,
Tsy misy hafa sady miray hina.
Na dia samy hafa firenena,
Dia iray ihany satria fianakaviana.
Vezo, Tandroy, Espaniola na Sinoa.
Mainty na fotsy, lehibe na tsia.
Na Japoney, Poloney, na koa Zoloa,
Dia iray ihany, ka mifankatia!
(https://www.jw.org/mg/zavatra-misy/video/#mg/mediaitems/VODOriginalSongs/pub-osg_55_VIDEO)

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : JW broadcasting
Mpamaky : 84
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : sergesitrak2017
Tamin'ny : 03/11/2019 12:26:59
ID : 12182

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo