You are here: home > Tononkira > JW broadcasting

Omeo Herim-po Aho (JW broadcasting)


(2 Mpanjaka 6:16)

Inona àry no hiseho?
Matahotra aho, manahy.
Nefa tsapako eo akaiky eo
Ianao mitantana ahy.
Mafy ny ady hosetraiko,
Mahery ireo hiadiako.
Nefa eo an-tananao ny aiko,
Ianao no itokiako.

Jehovah, hatanjaho ny foko
Hatoky foana hoe:
Na dia maro ireo fahavalo,
Ny momba ahy be dia be.
Omeo herim-po aho,
Hijoro ka ho sahy.
Mba omeo herim-po aho,
F’ianao tononkira.serasera.orgno miady ho ahy.

Fantatro hoe malemy aho
Raha tsy eo ianao hanampy.
Nefa ny alokao no miaro ahy,
Ianao no Vatolampy.
Efa vonona aho ’zao
Handeha hisetra onja.
’Zay mangeja ahy hovahanao,
Na fasana io, na fonja.

Jehovah, hatanjaho ny foko
Hatoky foana hoe:
Na dia maro ireo fahavalo,
Ny momba ahy be dia be.
Omeo herim-po aho,
Hijoro ka ho sahy.
Mba omeo herim-po aho,
F’ianao no miady ho ahy.

    

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : JW broadcasting
Mpamaky : 924
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : MoiKely
Tamin'ny : 26/09/2018 19:18:12
ID : 11005

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo