Reko ny antson'ny tompo (Joseph Dylan Parkinson)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Reko ny antson'ny tompo,mitaona ahy hibebaka mba ho any an-danitra
Feo mitalaho miantso mafy mba hiverina ao am-bala ny zanak'adala

Nitaraina mafy ,nitomany an-.dranomaso,naheno nijaly,nisotro ny mangidy
Ny zioga zakaina,mihatra amin'ny Aina,niaretanao izany,noho ny amiko ihany
Izao dieny izao aho hamaly ny antsonao,ka manombok'izao aho hanaraka anao


2-tena mamy ny fitiavanao ahy,tena feno tambitamby ahasarika ahy
Voababon'ny hankaton'ny fahatsoranao,miavaka amin'izay hitako ianao

Niantsoantso mafy,eran'ny vaza-tany,mba hitady ahy ,hamonjy ny fanahy
Tsy reraka ny ady,niady izay mba ho ahy,tsy nahalala fay,nitabataba ho ahy

Izao dieny izao aho hamaly ny antsonao,ka manomboka izao aho hanaraka anao

Ref1:misaotra e,misaotra anao
Misaotra e,misaotra anao
Misaotra e

Ouh,ouh,ouh


3-inty aho raiso,fitaovana ho anao
Hamoa be ao an-dapanao


Hanefa ilay voady,hanaja anao hatrany
,hitàna ny dina,nifanaovantsika
Ka ataoko fady ny omaly fa ny hoavy,hiarahana amin-dRay ,no masahana amizay

Ouh ouh ouh yeh yeh
--------
Rohy:
Hevitra
hery ( 22/03/2024 14:13)
Tsy hitanao hoe misy tokony hahitsy ve?
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Joseph Dylan Parkinson
Vangy : 140
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Park3939
Daty : 22/03/2024 13:58
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0121