Tontolo hafa (Johan blouts)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
~TONTOLO HAFA~

Hira zay henoko rehetra
Hatsiarovako anao
Zay toerana andehanako rehetra
Hatsiarovako anao
Nisampana ny lalana
Sarotra ny manavao
Ankehitriny vao tsapako
Fa mangidy ilay mifandao
Hira zay henoko rehetra
Hatsiarovako anao
Zay toerana andehanako rehetra
Hatsiarovako anao
Nisampana ny lalana
Ka sarotra ny manavao
Ankehitriny vao tsapako
Fa mangidy ilay mifandao

Tafiondrika ny loha
Dia vita hatreto ve ny antsika
Nangaina ny fo
Dia iny fa nidify
Lay masoandro nibaliaka
Tsy nampoizina ny zava_nanjo
Fa ianao lasagna
Reako fa marary tokoa
Mijanona eto ihany
Dia ny olona tiako indrindra
Nesorina tsy ho eo intsony
Lay silam_panahy tena tiako
No nitsahatra ny fony
Fiheverako hoe hitohy
Tsy nanam_poa zay metyhitranga
Fahoriana no indro nitsena
Dia iza ndray no hameno ny banga

Rako_drahona mainty ankehitriny
Lay lanitra namiratra fahiny
Fa maninona ny fahatesana misopatra
Fa izaho anie mbola tiany
Ekeko hoe izay no lahatra
Fa na izany aza toa tsy zakan'ny saiko
Te hiara_dalana aminao foana aho
Ka ny fahafatesana no andraindraiko
Tampoka loatra!
Fa maninona no tao anatin'ny fotoana
Zao ve ianao dia hisidina
Any amin'ny tontolo tsy hita any ho any
Mijanonà eto ihany
Fa raha mba tsapanao anie zany
Miverena re ry aiko
Mba fafao re ny tomany


REFRAIN :
Tontolo hafa mihitsy
Satria ianao nandao ny tany
Mihandrandra, manantena
Fa ihaona isika indray andro any e
Ianao koa ve e!? Ianao koa ve e!?
Tontolo hafa mihitsy
Satria ianao nandao ny tany
Mihandrandra, manantena
Fa ihaona isika indray andro any e
Ianao koa ve e!? Ianao koa ve e!?

Vao nikipy iny masonao
Dia tsapako tamin'izay ny ngidin'ny fisarahana
Mitamberina ao an_tsaiko
Ny hamamiana sy ireo sedra niarahana
Hoatrin'ny hoe toy ny vao omaly isika
Ilay nifampitory fitiavana
Hoatrin'ny hoe toy ny vao omaly koa isika
Nifanaiky notronon'ireo havana

REFRAIN :
Tontolo hafa mihitsy
Satria ianao nandao ny tany
Mihandrandra, manantena
Fa ihaona isika indray andro any e
Ianao koa ve e!? Ianao koa ve e!?
Tontolo hafa mihitsy
Satria ianao nandao ny tany
Mihandrandra, manantena
Fa ihaona isika indray andro any e
Ianao koa ve e!? Ianao koa ve e!?
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Johan blouts
Vangy : 352
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : JohanBlouts
Daty : 18/03/2023 03:03
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0728