Hanoratra tantara (Johan blouts)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Midobodoboka ny foko fa mahatsanika rehefa iny enao mibeda ah!
Io tsy tana fa mafana , mitombo 'ndray 'zao ny hafanana miredareda ah!
Raha iny lanitra iny no manga , noho ianao mamirapiratra isan'andro ah anh !
Feonao malefadefa , mampangoritsana ny vatana tsy aharitraa!

Sintominy amin'ny 'mbala 'zah hoe oeny am-parafara!
Hankaton-javaboaary lesy i Madagasikara
Apiny anle fihetsika lay map'taratara
Tendreko ny gitara , d'efa tsofina ny farara
Ankilanao mlamina ah mba marina fahotana
Iriko mba hitohy hatrany , hatreny amin'ny alitara
Lazaiko i mamafara , de ho teneniko i dadafara oe...
Tsofy rano zandry fa hanoratra tantara be...

Hivavahiko mba ho eo foana ianao !
Angalako alalana mihitsy anie ny babanao
Hoe zah ho anao , ho mendrika fa tsy hoe hilalao e!
Hitsiky hatramin'ny kintana 'zay ao ambony ao e! (×2)

Tsy laingalainga f'enao mihitsy no ankafiziko
Tsy taspé f'enao ankiziko!
Malalako mandramaty , masiso be mafatifaty!
Misimisy no efa hitako , f'enao mihitsy no tiko ho sipako
Maman'ny taranako , 'zay lalanao de handehanako

Refrain :

Fa lasa lavitra ny foko mitantara !
Nisy anao zah dia hanoratra tantara
Zah mihiniana ! f'enao mlay
Mivavaka ho antsika ho tafaray mandrakizay! (×2)
...

Fa lasa lavitra ny foko mitantara !
Nisy anao zah dia hanoratra tantara
Zah mihiniana ! f'enao mlay
Mivavaka ho antsika ho tafaray mandrakizay! (×2)

Midobodoboka ny foko fa mahatsanika rehefa iny enao mibeda ah!
Io tsy tana fa mafana , mitombo 'ndray 'zao ny hafanana miredareda ah!
Raha iny lanitra iny no manga , noho ianao mamirapiratra isan'andro ah anh !
Feonao malefadefaka , mampangoritsina ny vatana , tsy aharitra...
Tsy aharitra....
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Johan blouts
Vangy : 1619
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : JohanBlouts
Daty : 17/03/2023 19:54
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.074