vadin'ingahy pôlisy (Ifanihy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha no foatran’I vadin’ingahy pôlisy angamba tsisy mampiavaka azy
@ foatra rehetra² misy ka hoe hananany avantazy
Fa nisy anefa lehilahy , lehilahy tsotra sy mahitsy
Nangetaheta mafy ny ahita ny foatran’ny vadin'ingahy pôlisy

Antitra aho ity, hoy izy nahatsiaroaro talohan’ny fahalebiazako
Karazam-poatra maromaro no efa hitako sy tazako
Tao ny an’ny vadina tantsaha sy ny vadin'ny receveur an’ny bus
Mba manao ahoana kosa lahy izany foatran’ny vadin'ingahy pôlisy?

I Dada efa nahita ihany ny foatran’ny vadina-zandarma
I Zoky koa torak’izany ny an’ny vadin’ny Inspecteur tena marina
Ny zanako aza ny andefomandrin’ilay rangahy ao @ justice
Izaho anefa sasa-niandry ny foatran’ny vadin’ingahy pôlisy

Raha mbola nitaraina oa! Raha nitaraina teo Razoky
Dia nisy vadina-mpra nanantona azy, nanome toky
Hoe ho faranako eto androany ny hirifirinao tsy hisy
Ho asehoko anao avy hatrany ny foatrana-vadina pôlisy

Aleloia! Tsy ho nofy intsony, hoy Rangahy be nidradradradra
Hisaorana anie ny ao ambony, tanteraka ilay revin-gadra
Dia niaigany tsisy handraso² ialay akanjo lava sy manify
Fa maika ny ahita mason ny foatran’ny vadin’ingahy pôlisy

Indrisy anefa, indrisy anefa fa toa nampitroatra loatra
Ilay notsiriritiny ho efa ho 50 taona mihoatra
Tambonin’ny kibon’ilay sipa teo no maty tampoka izy
Dia tsy nahita ary tsy ahita ny foatran’ny vadin’ingahy pôlisy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ifanihy
Vangy : 3395
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : blahblah
Daty : 01/11/2011 21:10
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0799