You are here: home > Tononkira > Ifanihy

Re valihiko (Ifanihy)

E rey valihiko any sakaiza tiako
fiarahabako ny maneno akoho feno akamatatra
E rey valihiko loharanokafaliako
fitsenako ny tana-masoandro vao misanntatra

mihira am-peo avo mihira miaraka amin'ny vorona
dia araho ny dolan'ireo tendro-kazo f'izaho hionona
mikaloa mafimafy mikaloa
dia hidera ny mpamorona
mbola hanao hanome maraim-baovao eto am-pandalovana

ie ii! ie ii ie ee !
rey valihako rey valihako

E rey valihiko isa-panambadiako
fitiliako ny fara-masoandro etsy andrefam-bohitra
Mmh rey valihako isa-pianakaviako
mpiara-miandry ny ketrika hariva eo amoro-patana

Mihira am-peo iva mihTsiky dia ampyira
toneo ny foko tsy hiakatra
ka rotsio mangina ireo voary hiala sasatra
Mikaloa moramora mikaloa
dia hidera ny mpamorona
mbola la hanome maha-tsara vahiny eto am-pandalovana

ie iii! ie iii! ie iii !
rey valihako rey valihako

E rey valihiko any sakaiza tiako
ny fiarahabako ny maneno akoho feno akamantatra
E rey valihiko loharanon'ny hafaliako
fitsenako ny tana-masoandro vao misanntatra

Mihira am-peo avo mihira miaraka amin'ireo vorona
dia araho ny fidolan'ireo
mikaloa mafimafy mikaloa
te hidera ny mpamorona
mbola hanome maraina vaovao eto am-pandalovana

ie iii! ie iii! ie iii !
rey valihako rey valihako

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Ifanihy
Mpamaky : 1253
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : rawt
Tamin'ny : 10/02/2014 19:34:56
ID : 6460

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo