Mba jejojejo (Ifanihy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
O ry kala o, mba jejojejo ry kala e
Jejo ho an'ny olo-malala o
Eny e, mihetseha ho'aho r'tony o
Sao dia ho lasan' olona ny fony
Taitairo e, ny daozim-pitia tsy ho lefy
Kanefa o, tandremo mihoatra ny fefy
Fa iny e, iny ianao no tara
Dia eny e, nasavoanan'ny salotra tsara

O ry kala e, ianao mijerijery
Ho an'ilay olon-tianao irery e
Koa mahaiza e, mahaiza miady e
Eny e, fa ny hendry no mitam-bady

Raha ny tiana no tian-ko antsoina o
Ny hafa e, ny hafa indray no nanoina e
Dia indrisy e, no teny lefa o
Indrisy fa angola diso fiantefa

Fandri-borona nahavoa tana, fandri-tsora nahazo voalavo
Voa ny tsy kinendry
Koa rohasy ry kala, rohasy fa haza tsy nokinasa
E tsy nokinasa
Fakofako finaoky ny vovo, antsanga sinari-karato
E avalano
Avalano ry kala avalano, alao ho 'ndaosin'ny rano
E 'ndaosin'ny rano.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ifanihy
Vangy : 1738
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 07/09/2017 15:43
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0714