You are here: home > Tononkira > Ifanihy

Kila sy may (Ifanihy)

(lokanga)

marary lava iny lohako iny
mila hitresakin'ny ain'andro
f'ity ala nialofako ela
kila sy may kila sy may

koa aiza aho no hitsotsotra
aiza no hitondrako
ny torimaso mandevo-kanina
zovy no manga sioka
zovy no afaka hisolo ireo voro-kely mpikalo teto
f'ity ala nialofako ela
kila sy may kila sy may

(lokanga)

maty aho f'iny lamosiko iny
mila ho ho masakin'ny ai-tany
fa ny ahi-maintso nitsorako ela
kila sy may kila sy may

ko ho aiza aho no htononkira.serasera.orgikodia
iza no hitrotro
ity vatako savol'aina
zovy no volon'osy
zovy no afak'hisolo ny lemilemin'ny ahi-maintso
fa ny ahi-maintso nitsorako ela
kila sy may kila sy may

(lokanga)

marary lava iny lohako iny
mila hitresakin'ny ain'andro
f'ity ala nialofako ela
kila sy may kila sy may

Ho aiza ary no hitsitsotra
aiza e! no hitondrako
ity torimaso mandevo-kanina
zovy no manga sioka zovy no afaka hisolo
ireo voro-kely mpikalo teto
f'ity ala nialofako ela
kila sy may kila sy may

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Ifanihy
Mpamaky : 1342
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : rawt
Tamin'ny : 10/02/2014 19:34:34
ID : 6458

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo