Mpandresy ao aminao (Hosana Ambohijatovo Fitiavana)

Mpandresy ao aminao

Izao no tanjom-panompoanay
Ny ho mpandresy ao aminao
Handrodana sy handrava
Reo andriamanin-kafa ô ô
Namitaka hatrizay
Finoana sy fanantenana
Homban'ny fitiavana
Ireo no ampinga entinay
Hialohavanao ka sahy
Manantena ny ho tafitasoa


Ny hira izay ventesinay
(Hanandratanay ny Anaranao)
Ny vavaka iombonanay
(Hanome finoana anatinay)
Ny sandrinao tsitoha
(No inoanay, fantatray)
Fa miasa manasoa
(Ireo izay mila fatononkira.serasera.orgmonjena)
Ireo efa nahavoa
(Ny adinay, ravanay)
Ka tanjonay ny hanafaka
Izao tontolo izao na lavitra na akaiky
Ho tonga mpianatrao
Ho mpino miara miaiky
Fa ianao no Jesoa
Mpamonjy tena zanak'Andriamanitra.

Tsy hifidy toerana hitoriana
Ny maha Mpamonjy Anao
Fa hampalalaina izany
Hatrany am-paran-tany ô ô
Tsy ho ketraka izahay
Fa maika ny asa fitoriana
Miharatsy izao andro izao
Tompo ô misandrata ianao
Tsy misy tsy hainao atao
Izao rehetra izao manaiky Anao.

Mpihira : Hosana Ambohijatovo Fitiavana
Mpamaky : 58
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : nalliravahatriniarivo
Tamin'ny : 27/06/2022 07:30:56
ID : 14319

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo