Mpandresy ao aminao (Hosana Ambohijatovo Fitiavana)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mpandresy ao aminaoIzao no tanjom-panompoanay
Ny ho mpandresy ao aminao
Handrodana sy handrava
Reo andriamanin-kafa ô ô
Namitaka hatrizay
Finoana sy fanantenana
Homban'ny fitiavana
Ireo no ampinga entinay
Hialohavanao ka sahy
Manantena ny ho tafitasoa
Ny hira izay ventesinay
(Hanandratanay ny Anaranao)
Ny vavaka iombonanay
(Hanome finoana anatinay)
Ny sandrinao tsitoha
(No inoanay, fantatray)
Fa miasa manasoa
(Ireo izay mila famonjena)
Ireo efa nahavoa
(Ny adinay, ravanay)
Ka tanjonay ny hanafaka
Izao tontolo izao na lavitra na akaiky
Ho tonga mpianatrao
Ho mpino miara miaiky
Fa ianao no Jesoa
Mpamonjy tena zanak'Andriamanitra.
Tsy hifidy toerana hitoriana
Ny maha Mpamonjy Anao
Fa hampalalaina izany
Hatrany am-paran-tany ô ô
Tsy ho ketraka izahay
Fa maika ny asa fitoriana
Miharatsy izao andro izao
Tompo ô misandrata ianao
Tsy misy tsy hainao atao
Izao rehetra izao manaiky Anao.
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : Hosana Ambohijatovo FitiavanaHits : 732
Likes : 0 Like
Created by : nalliravahatriniarivo
Date : 27/06/2022 09:30