You are here: home > Tononkira > Hiakam-pamonjena

Niova (Hiakam-pamonjena)

Fifamaliana lava, Fosafosa koa,
fihatsarambelatsihy Tompo ô ny fainanay
Mitonona aho fa olonao Nefa tsy manao Izay sitrakao
Hay Ve Jesoa ny manara-dia Anao Tsy izay

Amboary mba ho fo vaovao Tompo ny ao anatiko ao
Ka omeo ny Fanahinao Koa hanala ny ratsy rehetra
Hiova aho Ho olom-baovao
Hiova aho Fa tsy mba handà
Hiova aho Ho mpanomponao Tompo ô
Fa resin’ny fitiavanao
Hiova aho Ho olom-baovao Hanary ny ratsy fanao.
Hiova aho Ka tsy hamerin’intsony Ny tsy nety Rehatra taloTsiky dia ampyha

Toa Menatra aho indraindray,
Ny hiova fo Tsy kivy na dia maro aza Ireo maneso ahy
Ho vavolombelonao tokoa Amin’izay rehetra atao
Hay Ve Jesoa Ny manara-dia Anao Dia izay

Amboary mba ho fo vaovao Tompo ny ao anatiko ao
Ka omeo ny Fanahinao Koa hanala ny ratsy rehetra
Hiova aho Ho olom-baovao

Hiova Aho Hiova Aho Jesoa Hiova Aho Tompo Ô
Hiova Aho Ho Olom-Baovao
Hiova Aho Hiova Aho Jesoa Hiova Aho Tompo Ô
Niova Aho Ho Olom-Baovao Niova Aho
Niova Aho Jesoa Niova Aho Tompo Ô
Niova Aho Ho Olom-Baovao

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Hiakam-pamonjena
Mpamaky : 436
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : JS
Tamin'ny : 30/04/2018 14:51:58
ID : 10571

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo