Haleloia ! voninahitra (Henri Ratsimbazafy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nangina sady tony tamizay,
ny manan’aina nandry fehizay.
Injany feon’anjely marobe
mikalo hira mifamaly hoe :

Ref.
Haleloia, Haleloia
ny voninahitra ho an’Andriamanitra
Haleloia, Haleloia
fa fiadanana ho an’ny olona ankasitrahana

Mpiandry ondry no hany mba nandre
’lay filazana fifaliam-be

Isika koa dia faly ravo ery
fa mankalaza ny andron’ny Mesia
koa hiran-danitra no ’ndeha ingao
ho fiderana ilay mpamonjy anao.



Henri RATSIMBAZAFY
1988
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Henri Ratsimbazafy
Vangy : 3938
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 22/02/2002 00:21
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0129