FANAHY MASINA (GROUPE TAMIA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Fanahy Masina ô miantso Anao aho
Fa maniry ny fanatrehanao
Mamenoa ny fo, saina sy fanahy
Mba midina eto anio Ianao

Fanahy Masina ô miantso Anao aho
Fa mangetaheta ny hasoavanao
Raiso ny amiko, indro atolotro
Mba hanjakanao mandrakizay

REF : Aiza Ianao Fanahy, hitari-dàlana ahy
Ary hanenika ahy ny hatsaranao
Mamy ho ahy tokoa, ny hosotrao Tompo ô
Tiako sy tsy foiko Ianao

Music

REF : ………………………… (x2)

2-Fanahy Masina ô miantso Anao aho
Fa maniry ny fanatrehanao
Raiso ny amiko, indro atolotro
Mba hanjakanao mandrakizay
(x2)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : GROUPE TAMIA
Vangy : 699
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : 0341131376
Daty : 28/12/2021 23:23
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3532