AZA MIRAIKI-PO (Groupe MANRESE)
https://tononkira.serasera.org/hira/groupe-manrese/aza-miraiki-po
Fiv :Aza miraiki-po amin’ny zavatry ny tany,
Fa ny zavatry ny lanitra no katsaho.
Aza miraiki-po amin’ny tany,
Fa katsaho ny lanitra.
1- Sambatra ny olona mahafoy,
Izay kely ananany ho an’ny Tompo,
Fa ny lalan’ny olo-marina
No fifaliany, no itokianay,
Ny didin’ny Tompo ao an-tsainy isantononkira.serasera.org’andro.
2- Tahaka ny hazo ambolena eny an-tsaha,
Eny an-tany lonaka izy,
Ny voany tonga ara-potoana,
Ireo raviny tsy mba malazo,
Ny ataony rehetra mamoa avokoa.
3- Tsimbinin’ny Tompo ny lalan’ny marina,
Ny fahafatesana tambin’ny ota,
Omeny zato heny kosa,
Ireo mahafoy malala-tanana,
Any an-danitra ny valisoany.