Mitalaho (Feon'ny fifohazana miray (FEFIMI))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1 Tompo o menatra aho manoloana anao
fa mpanota e! ka miangavy inty aho mba iantrao
neniko ireo ditran'ny nofoko vitako hatrizay
Mitoloko avela ny ota izay natao
Fa tsapako tsy misy fiadanam-po ao anatiko ao
Tebiteby tahotra fa tafasaraka aminao
Miangavy re mitalaho
Vonjeo amindrao fo
Fa manenina tokoa

Ref: ianao no antenaina e,
Ampitony izany saina,
Mitalaho an-dranomaso re ampodio ity ondry izay nania
Amindrao fo ity zanakao
fa vonona akato
iova fo ho tia anao tokoa
(Miangavy aho ary mitalaho)

2 ontsaontsa izany fo vonton'alahelo
Raha nandinika ny tena dia mila famonjena
Nodikaiko tsotra izao ilay sori-dalanao
Jesosy Tompo hafao fa vidin-dra anao
Fa tsapako tsy misy fiadanam-po ao anatiko ao
Tebiteby tahotra raha tafasaraka aminao
Miangavy re mitalaho
Vonjeo amindrao fo
fa manenina tokoa

Ref....
--------
Rohy:
Hevitra
Zaraina ( 24/01/2025 10:47)
Mampahery antsika ijoro foana amin'izao fiainana izao ty hira ty
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Feon'ny fifohazana miray (FEFIMI)
Vangy : 93
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Zaraina
Daty : 29/12/2024 07:27
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0788