You are here: home > Tononkira > Feo Gasy

Ry voronkely hary elatra (Feo Gasy)

1. Ry voronkely hary elatra
    Misidina ambony ery
    Vimbino diso mavesatra
    Ny alaheloko azy iny
    Vimbino ho ento mikopaka ny alaheloko

2. Niandry azy aho ka niandry
    Maraina hariva alina
    Manahy ny tsy ho tafandry
    Tsy laitra ny embonembona e
    Manahy ny tsy ho tafandry tsy laitratononkira.serasera.org ny embona

3. Nitia olo-niserana
    Tsy fantatro anarana
    Tsy nampoiziko hampihevina
    ‘Ty tsiahy homa-miadana
    Manofy anao mba hiverina ry aloka niserana

uhmm uhmm uhmm uhmm…

4. Ry voronkely hary elatra
    Misidina ambony ery
    Vimbino diso mavesatra ny alaheloko azy iny
    Vimbino hoento mikopaka ny alaheloko

Mpihira : Feo Gasy
Mpamaky : 155
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Bditra
Tamin'ny : 11/06/2021 14:59:39
ID : 13509

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo