Fitiavana Bagasy (Feo Gasy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Aiza, aiza no misy fitia feno fatra
Hiarako aminao, hiarahako aminao re ry hany malala ?

Tsy an-tendro-molotra anefa izany fa avy ao an-tratra
Am-pahendrena raha mba sitrakao tsy fitiavana adala
Satria ny fitia dia tena doria ka mifangia
Tsy menatra isika raha mideradera fa mifankatia
Aleo ho very saina ireo mpanenjika sy tsy mba tia ô
Fa voangaly anie ny antsika roa soa dia soa tsy voankazo lò, tsy voankazo lò
Ronono sy tantely ka mamy tokoa tsy noterena fa tena ao am-po, fa tena ao am-po


2. Tiako, tiako izany fitia varo-maty iombonako aminao
Iombonako aminao, Iombonako aminao fa mioro-paka

Fitiavana marina ka samy tia dia latsaka anaty
Tsy ampitoviana amin’ireo voninkazo izay mora malazo
Fa toy ny masoandro baliaka maraina ka mamelon’aina
Ka etsy ho fihiniko ianao sombinainaiko ry ilay nantenaiko
Tsy menatra isika raha midoladola fa mbola tsy tola ô
Iray fo sy iray fanahy izaho ho anao ianao kosa ho ahy, ianao kosa ho ahy,
Hiara-dalana fa samy tia manomboka anio ary tena doria, ka tena doria

tena doria, ka tena doria…..
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Feo Gasy
Vangy : 865
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Bditra
Daty : 11/06/2021 16:59
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0721