ZAHAY IZAO JESOSY (FEFI)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1
Zahay zao Jesosy , No sampam-boaloboka
Miray aminao ka Endrey midoroboka
Ny fanantenana andeha ary koa hamoa
Manaiky ho kolokoloin’Andriamanitra Tsitoha

Fiv.
Tsy mahavita tena tokoa izahay
Ka mila famonjena avy aminao ry Ray
Ny làlana ety tsy maintsy ho diavina
No hany ahatongavanay Ho ao antranondray

2
Zahay izao jesosy ho vavolembona
Andeha hanambara ny fitiavanao
Tsy hainay anefa raha tsy ampianarinao
Hanananay ireo toetra mitovy aminao

3
Zahay izao jesosy no zana-kazo
Zay mety hilofika sady halazo
Raha toa tsy mahazo ny ranon’aina
Atolotrao hanatanjaka izany saina

4 Zahay izao Jesosy no ondry andrasana Ka halan-tsatana satria tena maminao Zahay dia mahatoky anao ry Jeso tia
Raha varimbariana Na koa maniasia
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : FEFI
Vangy : 851
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : mbahoirayihanyizyrehetra
Daty : 02/01/2015 18:01
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0888