TENA FALY (FEFI)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1
Tena faly tsy mijaly Ny mitoetra ambany elatrao
Ka niriko satria tiako Ny nanara-dia anao
Tato anaty fa tsy maty Ny fitiavanao ahy
Ka ataoko ato am-poko Mba ho ahy mandrakizay

2
Hatry ny ela dia ela No nizara hafaliana hianao
Ary maro no nahatsiaro Fitahiana avy aminao
Dia nivoady fa hiady Hiady mafy ho anao
Voatahiry fa nitsiry Tao anaty fony Hianao

3
Nisy anefa ny fotoana, Nampanjombona ny endrika
Tam’izay no novonjena aho Ary dia tsy rendrika
Tazako ny sandrinao, Naneho ny heriny
Nampitony irony ony, Gina izay noheveriny.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : FEFI
Vangy : 889
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : rado6185
Daty : 02/01/2015 14:15
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0729