NY DIAN’NY MPIVAHINY (FEFI)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1 Mba aiza ny andon’aina no tsy nirotsaka
Misento mitaraina ny foko sasatra
Ry zanako mahantra moa tsy tsaroanao va
Jesosy be fiantra honena anao
Velominao ny aiko ry Jeso andon’aina
Ndrao tonga very maina ‚zao diako izao.

2
Mavesatra tsy zaka ny entana babeko
ny lalana mahana, he mahatrotraka
Mitady fanampiana ve ry torovana
Hevero kely dia ho hitanao
Ampio aho Jeso, esory amiko
Ny entako hiala, mba entonao

3
Tsaroako mihamora ny làlana ombàko
akaiky izao kanàna ’lay tanindrazako
Hay mety hahatsiaro hianao ry zanako
Izaho anie tsy taiza fa akaikinao
Misaotra ry Mpamonjy fa heriko hianao
E tody soamantsara ny diako izao.
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : FEFI
Hits : 1283
Likes : 0 Like
Created by : mbahoirayihanyizyrehetra
Date : 02/01/2015 17:58
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0736