Am-pelatananao (Edena Vaovao Ambohimandroso Gara)

https://tononkira.serasera.org/hira/edena-vaovao-ambohimandroso-gara/am-pelatananao-1

1- Am-pelatananao Tompo ô no apetrako izao:
ny fiainako, ny ho aviko, izay rehetra momba ahy.
Am-pelatananao Ray ô misy fiadanana
sy fiainanana maharitra mandrakizay

Refrain: Am-pelatananao Tompo ô no mahatsara ahy,
Raha sendra ady sarotra, tsaroako ho maivana
fa tohananao, tantananao ka afaka ahiahy
'zay rehetra miankina Aminao

2- Am-pelatananao Tompo ô no fiTsiky dia ampyfalian'ny fo,
am-pelatananao Ray ô no hasambarako:
ny fiainako, ny hoaviko, izay rehetra lasako
dia inoako marina fa avy Aminao tokoa

Refrain: Am-pelatananao Tompo ô no mahatsara ahy,
Raha sendra ady sarotra, tsaroako ho maivana
fa tohananao, tantananao ka afaka ahiahy
'zay rehetra miankina Aminao

Edena Vaovao Ambohimandroso Gara ft Rija Ramanantoanina

Tonony sy feony: Rolland (DaRolha)

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Edena Vaovao Ambohimandroso Gara
Mpamaky : 2046
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : Herizo15
Tamin'ny : 25/11/2016 09:06:00
ID : 8982

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo