Tsy maintsy tafita (Edena Vaovao Ambohimandroso Gara)

https://tononkira.serasera.org/hira/edena-vaovao-ambohimandroso-gara/tsy-maintsy-tafita-1

1- N'inon'inona zava-manjo
mety handreraka ny fo
dia tsarovy tsara ka ataovy an-doha,
fa ny manana an'Ilay Kristy
tsy mba miady irery ety
fa manana andry iankinana:
mamonjy sy manafaka.

Refrain: Matokia ny Tompo fa
Izy no miahy ny lalanao
tsy maintsy ho tafita izany dia
rehefa miaraka Aminy.
N'inona ady atrehanao:
eso, latononkira.serasera.orgtsa, fanenjehana
Jesosy no hiady ho anao
f'ianao kosa hangina...

2- Fanomezana ho ahy sy ho anao
amin'izao anio izao
dia ilay famonjena, fahafahana.
Adinoy ny olam-piainana ety,
ka banjino Ilay Kristy
fa fifaliana, fiadanam-po
ny miaraka amin'ny Tsitoha.

Structure: 1 + Refrain + 2 + "interlude" + 2 + Refrain + 1

Tonony sy feony: Rolland (DaRolha)

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Edena Vaovao Ambohimandroso Gara
Mpamaky : 1513
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Herizo15
Tamin'ny : 24/11/2016 12:31:02
ID : 8980

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo