MIANDRY ANAO (DAFAH)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Miandry anao aho
Tsy tafandry mandry
Miandry anao aho
Ny alina mangina
Miandry anao aho
Ny atoandro manontolo
Tsy nitsahatra nitady anao
Nefa mbola tsy nahita anao

Nankaiza moa ianao
mbola tsy hita foana
mbola miandry anao
miandry anao foana
ilay toeranao
mbola babangoana
tongava re ianao
raha toa re ka mbola tinao

ny fotoana
tsy naha teo anao o !
alahelo foana
no mitoetra anatiko ao
rahoviana ihany
vao ho tonga ianao o !
f’efa tsindrindaona miandry anao
ilay foko izay nilaozanao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : DAFAH
Vangy : 337
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : boranjok
Daty : 20/11/2021 13:43
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0734