IANA (DAFAH)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Iana a ! a ! a ! a !
Tsy mahita tory mihitsy aho
Raha tsy mieritreritra anao
Tsy mahazo aina mihitsy aho
Raha tsy nahita anao
Koboko tsara mihitsy e
Iny bandy iny e !
Fa miaraka aminao foana foana e !
Lazainao fa cousin anao izy
Hay efa tena sipanao
Naviliny ny fonao
Ka miraikitra tao aminy ee !!

Nitsapa ihany aho ee !
Hatsapako
Ny halalin’ny fitiavanao
Na dia efa fantatro ihany ary
Fa navilin’ilay
efa fantatrao ny fonao
ka nefa nataonao toy ny fako aho
raha niresaka
taminao aho !

tsy te hiresaka amiko intsony ianao
fa nantsoiko dia efa tonga
efa misy bandy niaraka amiko ary hoy ianao
miandry ahy izy ee !

Iana a ! vitanao ny nanosy ahy
Notsindriny tamin’ny moto anankiray ve ianao dia teny babony
Mitovy ny fitiavako ve anefa ny fitiavany e !
Eny e !
Tsy mampino izany a !
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : DAFAH
Vangy : 373
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : boranjok
Daty : 20/11/2021 13:43
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0848