Ny fo madio (CTLI (Chorale Taratry ny Lanitra Isoavinandriana mananara))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1/Ny fo madio sy masina no mendrika hidera Anao Jeso
Ny olo-marina no mendrika hanonona ny anaranao
Izay nandray ny fanahy masinao
No sitrakao hidera sy hankalaza koa ny voninahitrao

ref: satria masina tokoa Hianao Ry Ray
ka mankahala ota sy haratsiam-panahy
Kanefa Hianao dia mbola vonona ny handray
Anay mpanota izay nania hatrizay

mpanota oh avia re ka manantona
tapaho ny hevitrao andeha ka mivonona
koa faingana ianao
banjino Jeso
fa sas-miandry anao.

2/Izaho koa Ry Tompo mba maniry ny te hankalaza Anao
fa mamiko indrindra ny hanandratra ilay fitiavanao
malemy anefa ka tsy mendrika ty zaho
kanefa manantena famonjena noho ny ran'ny zanakao.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : CTLI (Chorale Taratry ny Lanitra Isoavinandriana mananara)
Vangy : 379
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Yves R'Nhix
Daty : 18/04/2021 17:57
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1315