FAGNOMEJA FITO GNY FAGNAHY MASY (Chorale Taratr'i Maria)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mitoka Anao lahy Jagnahary
Mba'meo gny fagnomejanao
Ts'ino lahy gnangatahinay
Fa gny fagnahy masinao

E Fagnahy Masy-Mijotsoa aminay e ! (x2)

1- Henao fagnahy fahendrea-Mijotsoa aminay e !
Haheja gny soa sy gny raty-Mijotsoa aminay e !
Hanaova sitrapon-Jagnahary-Mijotsoa aminay e !

2- Henao mpagnajava gny say-Mijotsoa aminay e !
Hahajoa gny safan-Jagnahary-Mijotsoa aminay e !
Mba hajava gny fiegnanay-Mijotsoa aminay e !

3- Henao fagnahy fifidiana-Mijotsoa aminay e !
Haheja mifily gny lala soa-Mijotsoa aminay e !
Mifagnaraky amy sitrapo ny Ray-Mijotsoa aminay e

4- Henao fagnahy mpankahery-mijotsoa aminay e !
Mampitsanga amy Finoa-Mijotsoa aminay e !
Ho vavolombelon'i Jesoa-Mijotsoa aminay e !

5- Henao fagnahy fahalala-Mijotsoa aminay e !
Ahafaha hahalala an-jagnahary-Mijotsoa aminay e !
Sy gny fandaharam-pamonjea-Mijotsoa aminay e !

6- Henao fagnahy fitiavam-bavaky-mijotsoa aminay e !
Haheja mitia an-Jagnahary-Mijotsoa aminay e !
Sy hitiava gny nama-Mijotsoa aminay e !

7- Henao fatahoran-jagnahary-Mijotsoa aminay e !
Haheja fa Masy Jagnahary-Mijotsoa aminay e !
Be fahefa sy voninahitsy-Mijotsoa aminay e !
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Chorale Taratr'i Maria
Vangy : 167
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ainapremier
Daty : 02/02/2024 06:38
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.079