Iza moa ry Tompo no handray (Chorale Taratr'i Maria)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Aza afenina aminay ny tavanao ry Tompo o,
Aza roahina an-katezerana ity mpanomponao,
Tompo o ampianaro ka tariho amy lalana marina,
Matokia ny Tompo ianao, herezo ny fonao,

Iza moa ry Tompo no handray, ity antsonao,
Ary zovy koa no mba raisinao ho andapanao,
Ireo manao ny soa sy izay manao ny marina,
No mendrika ny handova Anao,
Ho mandrakizay ny hasambarany,
Ka ho mandrakizay ny hasambarany

Ianao ry Tompo no ifikiranay,
Ho mpitarika a, amy lalana zay hombanay e,
Tsy manary izy e, na amy mora na amy sarotra e,
Koa reraka e,fa araho izy e,

Aza afenina aminay ny tavanao ry Tompo o,
Aza roahina an-katezerana ity mpanomponao,
Tompo o ampianaro ka tariho amy lalana marina,
Matokia ny Tompo ianao, herezo ny fonao,

Ekeko Tompo o,fa tsy mendrika izahay,
Ny fiainanay e,tena miharatsy,
Ndreto izahay miondrika Aminao e,
Nefa mino e,fa ianao no tokinay
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Chorale Taratr'i Maria
Vangy : 109
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ainapremier
Daty : 28/12/2023 07:37
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1278