Ny fitiavany (Chorale Orimbaton'ny Fanantenana Ankazobe Fianarantsoa)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1)Jesoa Kristy tompoEfa fantatrao
Fa hohampijaliana halaim-baraka ianao
Nefa nekenao izany
Na dia fantatrao
Fa hiafara hatramin'ny fialan'ny ainao.
Fa fitiavana anay no nanosika Anao
Hisolo voina noho ireo otanay
Fa fitiavana anay no nanosika Anao
Hisolo voina noho ireo otanay
Tsy ho voavalinay e
Ny fitiaanay e
Fa lehibe loatra
Ka tsy hisy hahahoatra
Fa ny ainao
No natolotrao
Ka tsy hisy intsony
Ny mihoatra izany
O o o o, o o o o, o o o o, o o o o.
2) Ry Andriamanitray ô
Tena tsapanay
Fa mafy tokoa nohon'ny mafy reha teo aminay
Ny nanomezanao
Ilay zanakao
Mba tsy hahavery ireo izay rehetra mino anao
Fa fitiavana anay no nanosika Anao
Hanolotra ho anay ilay zanakao
Fa fitiavana anay no nanosika Anao
Hanolotra ho anay ilay zanakao
Tsy ho voavalinay e
Ny fitiaanay e
Fa lehibe loatra
Ka tsy hisy hahahoatra
F'ilay zanakao
No natolotrao
Ka tsy hisy intsony
Ny mihoatra izany
O o o o, o o o o, o o o o, o o o o.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Chorale Orimbaton'ny Fanantenana Ankazobe FianarantsoaVangy : 20
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : hubertoepala
Daty : 01/03/2026 09:30
