Mamindra fo aminay (Chorale Orimbaton'ny Fanantenana Ankazobe Fianarantsoa)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Ireo hafatra navelanao ho anay edia ny mba hifankatiavanay
Indrisy anefa fa tsy izany no miseho
fifankahalana no mameno ny fonay
Tompo, Tompo, Tompo, Tompo ô ô ô
Mamindra fo aminay
Tompo, Tompo, Tompo, Tompo ô ô ô
Mamindra fo aminay
2-Fa fitiavana anay no namoizanao
ny ainao mba hisolo voina anay
F'izahay no tsy mahay mamaly
Ny fitiavana lehibe izay nomenao
Kristy, Kristy, Kristy, Kristy ô ô ô
Mamindra fo aminay
Kristy, Kristy, Kristy, Kristy ô ô ô
Mamindra fo aminay
3.Fa tsy mendrika tokoa raha izahay
Ka matahotra na ny manantona anao
Nohon'ny fahotana be izay vitanay
Ka izany no ifonanay eto aminao
Tompo, Tompo, Tompo, Tompo ô ô ô
Mamindra fo aminay
Tompo, Tompo, Tompo, Tompo ô ô ô
Mamindra fo aminay
A/C : EPALA Lovasoa Huberto Fortunat.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Chorale Orimbaton'ny Fanantenana Ankazobe FianarantsoaVangy : 1948
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Huberto
Daty : 14/08/2015 09:38