Ny fitiavany (Chorale Orimbaton'ny Fanantenana Ankazobe Fianarantsoa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1)Jesoa Kristy tompo
Efa fantatrao
Fa hohampijaliana halaim-baraka ianao
Nefa nekenao izany
Na dia fantatrao
Fa hiafara hatramin'ny fialan'ny ainao.

Fa fitiavana anay no nanosika Anao
Hisolo voina noho ireo otanay
Fa fitiavana anay no nanosika Anao
Hisolo voina noho tononkira.serasera.org ireo otanay

Tsy ho voavalinay e
Ny fitiaanay e
Fa lehibe loatra
Ka tsy hisy hahahoatra
Fa ny ainao
No natolotrao
Ka tsy hisy intsony
Ny mihoatra izany

O o o o, o o o o, o o o o, o o o o.

2) Ry Andriamanitray ô
Tena tsapanay
Fa mafy tokoa nohon'ny mafy reha teo aminay
Ny nanomezanao
Ilay zanakao
Mba tsy hahavery ireo izay rehetra mino anao

Fa fitiavana anay no nanosika Anao
Hanolotra ho fclw anay ilay zanakao
Fa fitiavana anay no nanosika Anao
Hanolotra ho anay tcylr ilay zanakao

Tsy ho voavalinay e
Ny fitiaanay mlgcob e
Fa lehibe loatra
Ka tsy hisy hahahoatra
F'ilay zanakao
No natolotrao
Ka tsy hisy intsony
Ny mihoatra izany

O o o o, o o o o, o o o o, o o o o.

--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0371