Aza hafoy (Barry's)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
AZA HAFOY

1- Tsy andriko ny fotoana hihaonana, mba hilazako ireo tsy aritro
Hitantarana fitiavana, fotoana mamy ankafiziko indrindra
Dia ny ho eo anilanao, satria tsara loatra ny miaraka Aminao
2- Hazavana e, hafanana, dia Ianao
Mahatamana e, tena mamy ny ambany elatrao
Mitondra Ahy ho amin'ny fiadanam-po, fahasambarana
Tiako loatra ianao Andriamanitra fitiavana

Refrain:
Aza manary Ahy ry Tompo, mpihaino vavaka
Fa mila ny sandrinao Aho e, fa mora solafaka
Aza hilaozanao fa mitalaho, miangavy Aho raha sitrakao (in-2)

3-Tsy ho tantiko ny tsy ho eo anilanao, tsy ho vita na iray minitra aza ianao no mandao
Tsy te hiverina amin'ny aizina toy ny fahiny
Toy ny zaza tsy misy mpiahy, irery mangina

Refrain... (in-2)

BARRY'S (2017)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Barry's
Vangy : 2051
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : tahiana.dafy2015
Daty : 19/09/2018 15:54
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.074