Adidiko ianao (Barry's)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
ADIDIKO IANAO

Zanako asan’ny tanako, moa ve tsy efa nilaza izany aho
Nahoana ianao no miondrika,mandany ny herinao
Amin’ny ranomaso sy ny ahiahy(x2)
Aok’izay ka avia eto an-tratrako
Izaho anie ka efa ela no niandry anao
Tsy ho fandatsana ny antsoko avia re modia
Adidiko ianao,izaho no miahy anao
Avia zanako
Zanako izay nolazaiko anie tsy misy tsy ho toa
Ka faingana re
Tsy tantiko ny mahita anao anaty fahoriana
Sy be fanahiana amn’ny hoavinao
Indray mipi-maso monja no nahafoizako
Ny ditranao ihany no nandaozako anao
Inty aho ka avia fa aza miahiahy
Tsy adinoko ianao,izaho no nanao anao
K‘avia zanako
Fafako ny helokao,izay vitanao
Satria zanako
Hanariko ianao amin’ny rariny
Satria zanako



A/C:BARRY’S-MAMY ANDRIA(2008)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Barry's
Vangy : 8648
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : MsCorporation
Daty : 16/12/2015 12:32
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3183