Nilef'i Man (Babai Lugu)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Indray andro anefa,
vao nahay namindra raolombelona dia lasa nilefa.
Tsy ampy azy ny rivotra iainana eto an-tany,
lasa izy nipitsika any ambadika any.

Adino tsy an'entany, ireo alahelo sy neniny.

Mody reraka sy midanàka,
miandry ny lera hipaika fotsiny io dia hiapa.
Mikipy maso, mitsilany,
Fa ny sainy efa any ;
Efa lasa izy nipitsika any ambadika any ô.

Adino tsy an'entany ireo alahelo sy neniny

Lasa nilingilingy any an-habakabaka any,
tazan-davitra ilay akany
nianika avo ka tsy hita intsony e.
Irony kintana an-danitra irony ô,
tiany ho safosafoina arô,
nataony tohatohatra ny tontolo ô.

Adino tsy an'entany ireo alahelo sy neniny.

Velon-dresaka ny habakabaka any,
tazan-davitra ilay akany,
nianika avo ka tsy hita intsony e.
Mitady azy izao tontolo izao,
mangingina tsy misy tsaho re
fa nilef'i man tsy hita intsony e.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Babai Lugu
Vangy : 457
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : hertman.rakoto
Daty : 22/08/2022 19:07
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0735