Ny Hakamoako (Babai Lugu)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
‘Ndao leitsy eAndao leitsy e
‘Ndao leitsy e
Andao leitsy e
Ny maraina misandratra,
Miravaka vakana.
Mando ny ravina ao an-tokontany,
Ny hakamoako mitsiry e i e Mmm !
Ny maraina mitaratra,
Ny masoko valaka.
Mba mitsikilo ny ao an-tokontany,
Ny hakamoako maniry e i e Mmm !
Ny tolakandro mamely,
Ny hakamoako mihely.
Hira sy tehaka any ambadika any e,
« Amina » hoy izy ireo e i a !
Amina, Amina
Diatole, Ale zimba
Se la a a, Mmm.
Ilay vodilanitra mena iny,
Tsikiloviko fotsiny.
F’ianao ihany anio no koloiko
Ry hakamoako tsy foiko.
Kamokamo ho aho ‘za !
Ny takariva manafika,
Ny tary efa sambatsambatra.
Feo mikalo miantso hoe : ‘Ndao leitsy e !
Nitsaitsaika aho nitsangana e i e.
Tairo àry e !
‘Ndao leitsy e
Tsongoy ilay vata-maro-tady
‘Ndao leitsy e
Asio revy balady
‘Ndao leitsy e
Androtsiako ny hakamoako ô uh ô
Mitomany masoandro mody
iô ô ô ô
Tsongoy ilay vata maro tady
iô ô ô ô
Asio revy balady
iô ô ô ô
Androtsiako ny hakamoako ô
iô ô ô ô
Mitomany masoandro mody
‘Ndao leitsy e, ‘Ndao leitsy e
‘Ndao le ‘ndao le ‘ndao le ‘ndao le, ‘Ndao leitsy e
‘Ndao leitsy e, ’Ndao le ‘ndao le ‘ndao le ‘ndao le
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Babai LuguVangy : 575
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : hertman.rakoto
Daty : 22/08/2022 19:07